Ny fanambadiana eo ambany fahefan’ny fahotana
Laharana 1607 amin’ny Katesizy
Araka ny finoana, io korontana io, izay tsapantsika mankarary, dia tsy avy amin’ny toetra voa-Janahary ny lehilahy sy ny vehivavy, na avy amin’ ny toetra voa-Janahary ny fifandraisan’izy ireo, fa avy amin’ny fahotana. Fahatapaham-pihavanana amin’Andriamanitra ny fahotana voalohany ka ny vokany voalohany dia ny faharavan’ny fiombonana tany am-piandohana nisy teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Notapatapahin’ny fifanomezan-tsiny ny fifandraisan’izy ireo[107]; niova ho fifandraisam-panjakazakana amam-pitsiriritana[108] ny fifanintonan’izy ireo, izay fanomezana manokana avy amin’ny mpahary[109]; novesaran’ny fijaliana amam-panaintainam-piterahana sy ny fitadiavam-pivelomana[110], ny fiantsoana tsara ny lehilahy sy ny vehivavy mba hiteraka, hitombo sy hizaka ny tany[111].