Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary
Laharana 1605 amin’ny Katesizy
Noarìna mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ka hoy ny Soratra Masina manamafy izany : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18). Ny vehivavy, “nofo avy amin’ny nofony”[103], mitovy aminy, akaiky azy tokoa, dia nomen’Andriamanitra azy ho mpanampy[104], amin’ny fanehoana araka izany an’Andriamanitra izay vonjintsika[105]. “Noho izany handao ny ray aman-dreniny ralehilahy ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roa” (Jen 2,24). Izany no hanambara ny firaisana maharitra lalandava eo amin’ny fiainan’izy roa, ary ny Tenan’ny Tompo mihitsy no mampiseho izany tamin’ny fampahatsiahivana fa izany, “tany am-piandohana”, no fandaharan’ny Mpahary[106] : “Noho izany, tsy roa intsony izy ireo, fa nofo iray ihany” (Mt 19,6).