Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina

Laharana 1589 amin’ny Katesizy

Manoloana ny halehiben’ny fahasoavana sy ny fiadidiana maha-mpisorona, dia mahatsapa ao aminy ny antso maika ho amin’ny fibebahana ireo mpampianatra masina, mba hampifanaraka ny fiainan’izy ireo manontolo amin’ny an’Ilay izay nanangana azy ireo ho mpandraharaha masina tamin’ny alalan’ny sakramenta. Araka izany, i Md Grégoire de Nazianze, mbola Pretra vao erotrerony tamin’izany fotoana izany, dia  nanandra-peo hoe :

Tsy maintsy manomboka amin’ny manadio tena, alohan’ny handiovana ny hafa ; tsy maintsy hampianarina mba hahafahana mampianatra ; tsy maintsy ho tonga fahazavana mba hanazava,  manatona an’Andriamanitra mba hampanatonana ny hafa Aminy, hamasinina mba hanamasina, hitondra an-tanana sy hanoro hevitra amin’ny saina mahiratra [88]. Haiko ny nahatonga anay ho mpandraharaha masina, ny haavon’ny toerana misy anay ary ny any amin’Ilay izay halehanay. Fantatro ny haavon’Andriamanitra sy ny fahalemen’ny olombelona, nefa koa ny heriny [89]. [Iza àry izany ny Pretra ? Izy no] ilay mpiaro ny fahamarinana, izy no mijoro miaraka amin’ny anjely , izy no manome voninahitra miaraka amin’ny arkanjely, izy no mampiakatra avo eo ambonin’ny ôtely ny fanatitra atao sorona, izy no mizara ny fisoronan’i Kristy, izy no manavao ny endriky ny zavaboary, izy no mamerina indray [ao amin’ny zavaboary] ny endrik’[Andriamanitra], izy no mamorona indray an’izany  ho an’ny tontolo any ambony, ary, mba ilazana an’izay misy zava-dehibe indrindra, nasandratra hitovy amin’Andriamanitra izy sy manandratra ny hafa hitovy amin’Andriamanitra[90].

Ary hoy i Md Curé d’Ars : “Ny Pretra no manohy ny tsanganasam-panavotana eto ambonin’ny tany ….” “Raha mahalala tsara ny Pretra eto an-tany ny olona, tsy ho fatin’ny horohoro, fa ho fatin’ny fitiavana …” “Ny maha-Mpisorona, dia ny fitiavan’ny fon’i Jesoa”[91].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗