Ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-eveka – hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana
Laharana 1557 amin’ny Katesizy
Ny Kônsily Vatikana faharoa dia “mampianatra, fa amin’ny alalan’ny fanamasinana Eveka no omena ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana, izay antsoin’ny fomba mahazatra ara-litorzian’ny Fiangonana sy ny feon’ny Ray masina, araka izany, amin’ny anarana hoe mpisorona fara tampony, feno manontolo mihitsy (summa) amin’ny andraiki-panompoana masina”[36].