Ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-eveka – hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana

Laharana 1555 amin’ny Katesizy

“Ny mitana ny toerana voalohany, amin’ireo andraiki-panompoana samihafa izay nosahanina tao amin’ny Fiangonana nanomboka tany am-piandohana, araka ny porofon’ny Lovam-pampianarana, dia ny anjara raharahan’ireo izay napetraka ao amin’ny laharana maha-eveka, amin’ny alalan’ny fifandimbiasana mitohy hatrany am-piandohana, ka izy ireo no sampam-boaloboka izay iampitan’ny voa mamoa avy amin’ny apôstôly”[34].

Loharano ôfisialy ↗