Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha

Laharana 1541 amin’ny Katesizy

Kanefa, hitan’ny litorzian’ny Fiangonana fa ny fisoronan’i Aarôna sy ny fanompoan’ny levita, tahaka izany koa ny fanorenana ny vondrona “Loholona”[13] fitopolo lahy, dia tandindona mampiseho ny andraiki-panompoana masina ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Araka izany, amin’ny fombam-pivavahana latinina, ao amin’ny prefasy fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Eveka, ny Fiangonana dia mivavaka hoe :

Ry Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy Tomponay ô, (...) nandritra ny Fanekem-pihavanana Taloha  Ianao no nanomboka namolavola ny Fiangonanao ; hatramin'ny voalohany Ianao no nanokana ireo taranak' i  Abrahama ho vahoaka masina ; ary Ianao no nanangana  ireo filoha sy mpisorona, izay nataonao ho mpandraharaha mandrakariva ny tempolinao[14]…

Loharano ôfisialy ↗