Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha
Laharana 1539 amin’ny Katesizy
Natsangan’Andriamanitra ho “fanjaka-mpisorona sy firenena masina” (Eks 19,6)[6] ny vahoaka voafidy. Kanefa tao anatin’ny vahoaka Israely, dia nifidy foko iray amin’ireo foko roa ambin’ny folo Andriamanitra, dia ny fokon’i Levì izany, izay natokana ho amin’ny fanompoana ara-litorzia[7]. Izy Andriamanitra mihitsy no anjara lovany[8]. Nisy fombam-pivavahana manokana nanamasinana ny fiandohan’ny fisoronana tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha[9]. Ny mpisorona no “notendrena mba ho solontena manelanelana ny olona amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra, ka hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota”[10].