III. Ahoana ny fomba ankalazana ity sakramenta ity ?

Laharana 1519 amin’ny Katesizy

Ireto singafototra manaraka ireto no voalohany indrindra iompanan’ny fankalazana ity sakramenta ity : mametra-tanana – amim-panginana – amin’ilay marary ny Pretran’ny Fiangonana[127] ; mivavaka eo amin’ilay marary izy, amin’ny finoan’ny Fiangonana[128] ; izany no epikilezy manokana amin’ity sakramenta ity ; ataony amin’izay ny fanosorana amin’ny diloilo voahasina, raha azo atao, voahasin’ny Eveka.

Ireo asa litorzika ireo dia mampiseho fa fahasoavana  manao ahoana no omen’ity sakramenta ity ny marary.

Loharano ôfisialy ↗