III. Ahoana ny fomba ankalazana ity sakramenta ity ?

Laharana 1518 amin’ny Katesizy

Mirafitra ho iray tsy azo sarahina ny teny sy ny sakramenta. Ny litorzian’ ny Teny, ialohavan’ny asa fivalozana, no manokatra ny fankalazana. Ny tenin’i Kristy sy ny teny vavolombelon’ny apôstôly, no mamohafoha ny finoan’ny marary sy ny ankohonam-piangonana mba hangataka amin’ny Tompo ny herin’ny Fanahiny.

Loharano ôfisialy ↗