Ny sakramentan’ny marary
Laharana 1512 amin’ny Katesizy
Amin’ny lovam-panahy litorzika, na any amin’ny Tatsinanana izany na any amin’ny Tandrefana, dia ananana hatramin’ny fahagola ny filazan’ny vavolombelona momba ny fanosorana ny marary notanterahina tamin’ny diloilo voahasina. Nandritra ny taonjato nifandimby, nomena indrindra indrindra an’ireo izay nadiva ho faty ihany ny fanosorana ny marary. Noho izany antony izany no nahazoany ny anarana hoe “Fanosorana Farany”. Na teo aza io fivoarana io, tsy hadinon’ny litorzia na oviana na oviana ny mivavaka amin’ny Tompo mba hahazoan’ny marary fahasalamana indray raha sahaza ny famonjena azy izany[121].