Abrahama – “ilay rain’ny mpino rehetra”
Laharana 146 amin’ny Katesizy
Tanterak’i Abrahama araka izany ny famaritana ny atao hoe finoana lazain’ny Taratasy ho an’ny Hebrio : “Ny finoana no antoky ny soa izay antenaina, porofon’ny zava-misy izay tsy hita maso” (Heb 11,1). “Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinany” (Rôm 4,3)[147]. Noho izany “finoana mahery” izany (Rôm 4,20), dia tonga “rain’ireo rehetra izay hino” i Abrahama (Rôm 4,11.18)[148].