Abrahama – “ilay rain’ny mpino rehetra”
Laharana 145 amin’ny Katesizy
Ny Taratasy ho an’ny Hebrio, ao amin’ny fiderana lehibe ny finoan’ireo razana, dia manantitrantitra indrindra ny amin’ny finoan’i Abrahama : “Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany” (Heb 11,8)[144]. Noho ny finoana, dia niaina toy ny vahiny sy mpivahiny tao amin’ny Tany nampanantenaina izy[145]. Noho ny finoana, dia nitoe-jaza i Sara ka niteraka ny zanaky ny fampanantenana. Farany, noho ny finoana no nanoloran’i Abrahama ny zanany lahitokana ho sorona[146].