VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy”

Laharana 1413 amin’ny Katesizy

.Amin’ny fankamasinana no tanteraka ny fiovam-pisia-maha-izy ny mofo sy ny divay ho Vatana aman-dRan’i Kristy. Izy Kristy mihitsy, velona sy be voninahitra, tsy hita mivantana amin’ny endriky ny mofo sy ny divay voahasina, no misy eo amin’ny fomba marina tokoa, tena izy tokoa  ary ara-pisia-maha-izy tokoa ny Vatany sy ny Rany, miaraka amin’ny fanahiny sy ny maha-Andriamanitra Azy[108].

Loharano ôfisialy ↗