V. Ny mpandraharaha masin’ny Fankaherezana

Laharana 1313 amin’ny Katesizy

Amin’ny fombam-pivavahana latinina, ny Eveka no mpandraharaha masina andavanandro manam-pahefana manome ny Fankaherezana[145]. Raha amin’ny toe-javatra tsy ahafahan’ny Eveka mihitsy, na azony atao aza ny manome fahefana ara-dalàna ny Pretra hanome ny Fankaherezana[146], dia mety raha izy tenany ihany no manome izany, amin’ny tsy fanadinoana fa ho amin’izany antony izany no nanasarahana ara-potoana ny fankalazana ny Fankaherezana amin’ny Batemy. Ireo Eveka no dimbin’ny apôstôly, izy ireo no nandray ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana. Ny fanome-zana ity sakramentan’ny Fankaherezana ity amin’ny alalan’izy ireo no manamarika tokoa fa manan-kery izy ity hampiray mafimafy kokoa ireo izay nandray azy amin’ny Fiangonana, amin’ny fiandohany tamin’ny apôstôly ary amin’ny fanirahana azy hijoro ho vavolombelon’i Kristy.

Loharano ôfisialy ↗