I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena

Laharana 1287 amin’ny Katesizy

Ary izany hafenoan’ny Fanahy izany dia tsy tokony hijanona fotsiny ho an’ny Mesia irery ihany, fa tokony hampitaina amin’ny Vahoakan’ny Mesia manontolo [98]. Imbetsaka i Kristy no nampanantena an’io firotsahan’ny Fanahy io[99], fampanantenana izay notanterahiny tamin’ny andron’ny Paka aloha[100], ary tato aoriana, tamin’ny fomba manetriketrika ny andron’ny Pantekôty[101]. Fenon’ny Fanahy Masina ny apôstôly ka nanomboka nitory “ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra” (Asa 2,11), ary i Piera koa nanambara fa io firotsahan’ny Fanahy io no famantarana ny fotoanan’ny Mesia[102]. Tamin’izany, ireo izay nino tamin’ny toritenin’ny apôstôly sy natao batemy, dia nandray koa ny fanomezana ny Fanahy Masina[103].

Loharano ôfisialy ↗