I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena
Laharana 1286 amin’ny Katesizy
Ao amin’ny Testamenta Taloha, nambaran’ireo mpaminany fa ny Fanahin’ny Tompo dia hitoetra ao amin’ilay Mesia antenaina[95], ho amin’ny fanirahana maha-mpamonjy Azy[96]. Ny fidinan’ny Fanahy Masina teo ambonin’i Jesoa tamin’ny fotoana nanaovan’i Joany batemy Azy no famantarana fa Izy no Ilay tsy maintsy ho avy, Izy no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra[97]. Noforonin’ny Fanahy Masina Izy ka ny fiainany manontolo sy ny iraka manontolo nampanaovina Azy, dia tontosa tamin’ny firaisana feno amin’ny Fanahy Masina, izay omen’ny Ray Azy “tsy misy fetrany” (Jo 3,34).