Marika ara-panahy tsy maty vonoina …
Laharana 1274 amin’ny Katesizy
Ny “fitomboky ny Tompo” (“Dominicus character”[87]) dia ny fitomboka izay nanamarihan’ny Fanahy Masina antsika “ho amin’ny andron’ny fanavotana” (Efez 4,30)[88]. “Ny Batemy, araka izany, no fitomboky ny fiainana mandrakizay”[89]. Ny mpino izay “hahatahiry ny fitomboka” hatramin’ny farany, izany hoe izay haharitra tsy mivadika amin’ny zavatra takìn’ny Bateminy, no afaka “homarihina amin’ny famantaram-pinoana”[90], miaraka amin’ny finoana tamin’ny Bateminy, eo am-piandrasana ny fahitana amim-pahasambarana an’Andriamanitra – fahatontosan’ny finoana - sy amin’ny fanantenana ny fitsanganan-ko velona.
FAMINTINANA