VI. Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

Laharana 1060 amin’ny Katesizy

Amin’ny farandro, ho tonga amin’ny hafenoany ny Fanjakan’ Andriamanitra. Amin’izay ny olo-marina hanjaka miaraka amin’i Kristy mandrakizay, henim-boninahitra vatana sy fanahy, ary ny tontolon’ny zava-drehetra manam-batana koa hovàna endrika. Amin’izay Andriamanitra “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra”( 1 Kôr 15,28)  ao amin’ny fiainana mandrakizay.

Loharano ôfisialy ↗