VI. Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao
Laharana 1058 amin’ny Katesizy
Mivavaka ny Fiangonana mba tsy hisy olombelona ho very : “Tompo ô, aza avela ho tafasaraka Aminao na oviana na oviana aho”[107]. Raha marina fa tsy afaka mahavonjy tena amin’ny herin’ny tenany ihany ny olombelona, dia marina koa fa “tian’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra” (1 Tim 2,4) ary ho Azy “vitany avokoa ny zavatra rehetra” (Mt 19,26).