VI. Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

Laharana 1048 amin’ny Katesizy

“Tsy haintsika ny fotoana hahataperan’ny tany sy ny olombelona rehetra, tsy fantatsika ny fomba fanovàna ny endrik’izao tontolo izao voarindra. Marina fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao, nosimban’ny fahotana ; kanefa nampahafantarina antsika, fa Andriamanitra dia manomana ho antsika fonenana vaovao sy tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana, ary ny fahasambarana no hameno sy hahasafononoka ny hetahetam-piadanana rehetra izay mipololotra avy ao am-pon’ny olombelona”[100].

Loharano ôfisialy ↗