VI. Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

Laharana 1047 amin’ny Katesizy

Ny tontolon’ny zava-drehetra hita maso izany dia natokana hiova endrika ihany koa, “mba izao tontolo izao mihitsy, naverina amin’ny toetrany tany am-boalohany, no ho ampiasain’ireo olo-marina, tsy misy zava-misakana intsony na iray aza”, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanomezam-boninahitra azy ireo ao amin’i Jesoa-Kristy nitsangan-ko velona[99].

Loharano ôfisialy ↗