Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2851
VII. “Fa manafaha anay amin’ny Ratsy”
Amin’io fangatahana io, tsy hevi-dravina ny hoe ny Ratsy, fa manondro olona, i Satàna, ilay Ratsy, ny anjely izay manohitra an’Andriamanitra. Ny “devoly” ( dia-bolos ) dia ilay izay “mitsivalam-pandry” amin’ny fandaharan’ …
→
-
2852
VII. “Fa manafaha anay amin’ny Ratsy”
“Mpamono olona hatramin’ny voalohany, mpandainga sy rain’ny lainga” (Jo 8,44), “i Satàna, ilay mpanangoly an’izao tontolo izao” (Apôk 12,9), fa tamin’ny alalany no nidiran’ny fahotana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao …
→
-
2853
VII. “Fa manafaha anay amin’ny Ratsy”
Ny fandresena ny “mpanapaka an’izao tontolo izao” (Jo 14,30) dia azo, indray mandeha ihany, tamin’ny Ora izay nanoloran’i Jesoa tena tamin-kalalahana ho faty mba hanomezany antsika ny Ainy. Ny fitsaràna an’izao tontolo …
→
-
2854
VII. “Fa manafaha anay amin’ny Ratsy”
Rahefa mangataka mba hafahana amin’ilay Ratsy isika, dia mitalaho koa mba hafahana amin’ny faharatsiana amam-pahoriana rehetra, ankehitriny, lasa ary hoavy, izay ataon’ilay Ratsy na amporisihany. Amin’ity fangatahana farany ity no itondran’ny Fiangonana …
→
-
2855
Tenim-boninahitra farany
Ny tenim-boninahitra farany hoe : “Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra”, dia mamerina, amin’ny fampidirana, ny fangatahana telo voalohany amin’ny Rainay : ny fanomezam-boninahitra ny Anarany, ny fahatongavan’ny …
→
-
2856
Tenim-boninahitra farany
“Ary rahefa vita ny vavaka, hoy Ianao hoe : Amen , amin’ny fanaovana sonia fanamarinana ny sonia vita rahateo amin’ny alalan’io Amen io, izay midika hoe : “Ho tanteraka tokoa anie izany” …
→
-
2857
Tenim-boninahitra farany
Ao amin’ny “Rainay”, ny votoatin’ny fangatahana telo voalohany dia ny Voninahitry ny Ray : ny fankamasinana ny Anarany, ny fahatongavan’ny Fanjakany ary ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny efatra hafa dia maneho Aminy …
→
-
2858
Tenim-boninahitra farany
Amin’ny fangatahana hoe : “ Hohamasinina anie ny Anaranao ” , dia miditra ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra isika, amin’ny fankamasinana ny Anarany – nambara tamin’i Môizy, avy eo tao amin’i Jesoa – amin’ny …
→
-
2859
Tenim-boninahitra farany
Amin’ny fangatahana faharoa, ny Fiangonana dia mitsinjo indrindra ny fiverenan’i Kristy sy ny fahatongavana faran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mivavaka koa ny Fiangonana ho an’ny fitomboan’ny Fanjakan’ Andriamanitra eo amin’ny “ anio ” ny fiainantsika.
→
-
2860
Tenim-boninahitra farany
Amin’ny fangatahana fahatelo, mangataka amin’ny Raintsika isika hampiray ny sitrapontsika amin’ny an’ny Zanany mba hanatanteraka ny fandaharam-pamonjeny eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao.
→
-
2861
Tenim-boninahitra farany
Amin’ny fangatahana fahefatra, amin’ny filazana hoe “ Omeo anay ” , no anehoantsika, amin’ny fiombonana amin’ny mpiray tam-po amintsika amin’ny finoana, ny fitokian-janaka amin’ny Raintsika any an-danitra. Ny hoe “ haninay ” …
→
-
2862
Tenim-boninahitra farany
Ny fangatahana fahadimy no mitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra noho ny fahotantsika, izay tsy ho afaka haninteraka ao am-pontsika raha tsy mahay mamela ny fahavalontsika isika, amin’ny oha-piainana sy miaraka amin’ny fanampian’i Kristy.
→
-
2863
Tenim-boninahitra farany
Amin’ny filazana hoe “ Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay ” , dia mangataka amin’Andriamanitra isika mba tsy hamelany antsika hizotra amin’ny lalana mitondra ho amin’ny fahotana. Io fangatahana io no mitalaho …
→
-
2864
Tenim-boninahitra farany
Amin’ny fangatahana farany hoe : “ Fa manafaha anay amin’ny Ratsy ” , ny kristianina dia mivavaka amin’Andriamanitra miaraka amin’ny Fiangonana, mba hampiharihary ny fandresena, efa azon’i Kristy, an’ilay “ Mpanapaka izao …
→
-
2865
Tenim-boninahitra farany
Amin’ny “ Amen ” farany, no anambaràntsika ny “ Fanekentsika ” mikasika ny fangatahana fito : “ Ho tanteraka tokoa anie izany ... ” * * * * * * * * …
→