Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2226 Adidin’ny ray aman-dreny Ny fanabeazana amin’ny finoana ataon’ny ray aman-dreny amin’ny zanany, dia tokony hatomboka hatramin’izy mbola zaza menavava. Efa omena sahady izany, raha ny mpianakavy rehetra no mifanampy hitombo amin’ny finoana amin’ny alalan’ny fijoroana …
  2. 2227 Adidin’ny ray aman-dreny Manana anjara koa ny zanaka hanampy ny ray aman-dreniny hitombo fahamasinana [20] . Hifanaraka amin-kahalalam-po ny rehetra sy ny tsirairay ary tsy ho sasatry ny hifamela heloka, izay ilaina amin’ny fahadisoana, ny …
  3. 2228 Adidin’ny ray aman-dreny Mandritra ny fahazazana, ny fanajana sy ny fankamamian’ny ray aman-dreny no miseho aloha amin’ny fikarakarana sy ny fitandremana izay atokan’izy ireo itaizana ny zanany, iahiana ny filan’izy ireny ara-batana sy ara-panahy . …
  4. 2229 Adidin’ny ray aman-dreny Noho ireo ray aman-dreny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany, dia manana zo izy ireo hisafidy ho an-janany ny sekoly izay mifanaraka amin’ny finoana arahin’izy ireo. Zo fototra izany. Manana adidy ny …
  5. 2230 Adidin’ny ray aman-dreny Ny zanaka, rahefa tonga olon-dehibe, dia manana adidy sy zo hisafidy ny asa ivelomany sy ny lalam-piainana arahiny . Hiantsoroka izany andraikitra vaovao izany izy ao anatin’ny fifandraisana feno fitokiana amin’ny ray …
  6. 2231 Adidin’ny ray aman-dreny Misy ireo zanaka tsy manambady mba hikarakara ny ray aman-dreniny, na ny iray tam-po aminy, mba hilozoka manokana amin’ny asa na noho ny antony hafa maha-te-hidera. Afaka manampy be tokoa amin’ny soa …
  7. 2232 IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra Ny fifamatoran’ny mpianakavy, na manao ahoana na manao ahoana ny havesa-danjany, dia tsy ambonin’ny zava-drehetra tanteraka. Arakaraka ny fitomboam-pahamatoran’ny zanaka sy ny fahazakan-tenany amin’ny maha-izy azy sy amin’ny ara-panahy, no mihamazava sy …
  8. 2233 IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra Ny manjary mpianatr’i Jesoa, dia ny manaiky ny fiantsoana ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra , ny miaina araka ny fombam-piainany : “Na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy …
  9. 2234 V. Ny fahefana mifehy eo amin’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena Mandidy antsika koa ny didy fahefatra avy amin’Andriamanitra hanaja izay rehetra nandray tamin’Andriamanitra, mba hanasoa antsika, ny fahefana mifehy ny vahoaka. Hazavain’ny didy fahefatra avokoa na ny ny adidin’izay mampiasa ny fahefana, …
  10. 2235 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Adidin’izay rehetra nomena fahefana ny mampiasa izany ho amin’ny fanompoana. “Izay te ho lehibe aminareo, no aoka ho mpanomponareo” (Mt 20,26). Ny fampiasana fahefana iray dia ampifandanjana ara-pitsipi-pitondran-tena amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy, …
  11. 2236 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Ny kendrena amin’ny fampiasana fahefana dia ny hampiharihary ireo ambaratongan-tsoatoavina marina, mba hanamora ny fampiasan’ny rehetra ny fahafahany sy ny andraikiny. Anjaran’ireo mpifehy ny mampiasa ny fahamarinana ara-pizaràna amim-pahendrena, ka hihevitra ny …
  12. 2237 Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena Ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy maintsy manaja ny zo fototra maha-olona ny olona. Ho ampanjakain’izy ireo amin’ny fo tsara ny fahamarinana ao anatin’ny fanajana ny zon’ny tsirairay, indrindra ny fianakaviana sy ireo atao …
  13. 2238 Adidin’ny olom-pirenena Ny olona eo ambany fahefana dia hihevitra ny lehiben’izy ireo ho solontenan’Andriamanitra izay natsangany ho mpandraharahan’ny fanomezany [25] : “Noho ny Tompo, aoka ianareo hanaiky ny lehibe rehetra natsangan’ny olona. (…) Mijoroa …
  14. 2239 Adidin’ny olom-pirenena Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny mandray anjara miaraka amin’ny mpitondra fanjakana, amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona, amin’ny toe-tsaina mandala ny marina, ny rariny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana. Ny fitiavana sy ny fanompoana …
  15. 2240 Adidin’ny olom-pirenena Ny manaiky ny manam-pahefana sy ny miara-miandraikitra ny soa iombonana dia mitaky ara-pitsipi-pitondran-tena handoa hetra, hampiasa ny zo handatsa-bato amin’ny fifidianana, hiaro ny tanindrazana : Efao amin’ny olona rehetra izay tokony hefaina …
  16. 2241 Adidin’ny olom-pirenena Manana adidy ny firenena manan-katao kokoa handray, araka izay azo atao, ireo vahiny mitady filaminan-tsaina sy fivelomana izay tsy mety hitany any amin’ny tany niaviany. Tsy hanao an-tsirambina ny fanjakana amin’ny fanajana …
  17. 2242 Adidin’ny olom-pirenena Ny olom-pirenena dia voadidin’ny kônsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa izany didy izany mifanohitra amin’izay takìn’ny lalàm-pitondran-tena, amin’ny zo fototra maha-olona na amin’ny fampianaran’ny Evanjely. Ny fandavam-panekena ny mpitondra …
  18. 2243 Adidin’ny olom-pirenena Ny fanoherana ny tsindry hazo lena ataon’ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy tokony hampiasana araka ny rariny ny fitaovam-piadiana, afa-tsy raha feno ireto fepetra manaraka ireto : 1- amin’ny fandikan-dalàna marina, mamohehatra ary miitatra …
  19. 2244 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Ny rafi-panorenana rehetra dia maka hevitra, na tsy mivantana aza, amin’ ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany, izay amin’izany izy no misintona ny fanamafisan’antoky ny fandanjalanjany, ny ambaratongan-tsoatoaviny, ny sori-dalam-pitondran-tenany. …
  20. 2245 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana “Ny Fiangonana, noho ny fiadidiany sy ny fahefany manapaka, izay tsy mifangaro na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana amin’ny vondrona mpitondra fanjakana, dia sady famantarana no fiarovana ny toetra ambony …