II. Ny fahefan’ny fanalahidy

Laharana 982 amin’ny Katesizy

Tsy misy hadisoana na dia iray aza, na toy inona halehibeny, ka tsy ho azon’ny Fiangonana Masina havela. “Tsy misy olona, na dia ratsy fanahy sy meloka toy inona tokoa aza izy, izay tsy tokony hanantena intsony ny famelana azy, raha toa ka avy ao am-po tokoa ny fanenenany”[7]. Sitrak’i Kristy izay maty ho an’ny olombelona rehetra, ny hisokafan’ny varavaran’ny famelana lalandava ao amin’ny Fiangonany, ho an’izay miala amin’ny fahotana na iza na iza[8].

Loharano ôfisialy ↗