II. Ny fanajana am-bavaka an’i Virjiny Masin a

Laharana 971 amin’ny Katesizy

“Antsoin’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho” (Lk 1,48) : “Ny fitiavan-kanaja am-bavaka ataon’ny Fiangonana amin’ny Virjiny Masina, dia tafiditra ao anatin’ny fanompoam-pivavahana kristianina”[530]. Ny Virjiny Masina dia “omen’ny Fiangonana voninahitra ara-drariny amin’ny alalan’ny fanajana am-bavaka manokana. Izany tokoa, fa efa hatramin’ny fahagolan-tany, ny Virjiny sambatra no nomem-boninahitra tamin’ny anarana hoe : “Renin’Andriamanitra” ; ny mpino dia mialoka eo ambany fiarovany, amin’ny fitalahoam-bonjy aminy amin’ny loza rehetra manjo azy ireo sy ny zavatra rehetra ilain’izy ireo (…). Io fanajana am-bavaka io (…) na dia mampiseho endrika tsy manam-paharoa tanteraka aza, (…) dia tsy misy itoviana mihitsy na kely aza amin’ny fivavahana fitsaohana atao amin’ny Teny tonga nofo ary koa amin’ny Ray sy amin’ny Fanahy Masina ; afaka manampy amin’ny fomba ambony dia ambony ny fitsaohana an’Andriamanitra ny fanajana am-bavaka an’i Maria”[531] ; hita ny fampisehoana an’io fanajana io, ao amin’ireo fety litorzika natokana ho an’ny Renin’Andriamanitra[532] sy ao amin’ny vavaka momba an’i Masina Maria toy ny Raozery Masina, izay “famintinana ny Evanjely manontolo”[533].

Loharano ôfisialy ↗