I. Ny fiombonana amin’ny harem-panahy

Laharana 953 amin’ny Katesizy

Ny fiombonana amin’ny fitiavana : ao amin’ny fiombonana masina (sanctorum communio) “tsy misy amintsika, velona ho an’ny tenany, ary tsy misy maty, ho an’ny tenany” (Rôm 14,7).“Mijaly ve ny rantsambatana iray ? miara-mijaly aminy daholo ny rantsambatana rehetra. Mahazo voninahitra ve ny rantsambatana iray ? miombona hafaliana aminy ny rantsambatana rehetra. Ary ianareo no Vatan’i Kristy, ka samy rantsambatany manaraka ny laharany tsirairay avy” (1 Kôr 12,26-27). “Ny fitiavana dia tsy mitady ny ho azy” (1 Kôr 13,5)[503]. Ny kely indrindra amin’ny asantsika atao amim-pitiavana dia  misy akony amin’ny tombon-tsoan’ny rehetra, ao anatin’izany firaisan-kina amin’ny olona rehetra izany, na velona na maty, izay miorina ao amin’ ny fiombonan’ny olomasina. Ny fahotana rehetra no manimba an’izany fiombonana izany.

Loharano ôfisialy ↗