I. Ny fiombonana amin’ny harem-panahy
Laharana 951 amin’ny Katesizy
Ny fiombonana amin’ny fanomezam-pahasoavana : ao amin’ny fiombonan’ ny Fiangonana, ny Fanahy Masina “dia mizara koa amin’ireo mpino araka ny ambaratonga rehetra (…) ny fahasoavana manokana”, ho amin’ny fandrafetana ny Fiangonana[500]. Ary “samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro” (1 Kôr 12,7).