Ny fiainan-drelijiozy
Laharana 927 amin’ny Katesizy
Ny relijiozy rehetra, na afaka amin’ny fandidian’ny mpitondra eo an-toerana na tsy afaka[476], dia mahazo toerana ho anisan’ny mpiara-miasa amin’ny Eveka mitondra diôsezy amin’ny fiadidiana maha-mpiandry ondry azy[477]. Ny fampijoroana sy fanitarana ny maha-misiônera ny Fiangonana dia mila ny fisian’ny fiainan-drelijiozy amin’ny endriny rehetra, hatrany am-panombohana ny fitoriana ny Evanjely[478]. “Ny tantara dia manamarina ny halehiben’ny fahamendrehan’ireo fianakavian-drelijiozy tamin’ny fampielezana ny finoana sy tamin’ny fanorenana Fiangonana vaovao, nanomboka tamin’ny Fikambanan’ny mpitoka-monina fahiny sy ny Fikambanan-drelijiozy tamin’ny taonjato antenatenany ka hatramin’ny Fikambanan-drelijiozy amin’ny androm-piainana ankehitriny”[479].