Ny virjiny sy ny maty vady manokan-tena

Laharana 924 amin’ny Katesizy

Noho ny fikambanan’ny virjiny, “mitovitovy fomba amin’ireo fikambanan’ny manokam-piainana ho an’Andriamanitra”[470], dia mametraka ny vehivavy miaina eto amin’izao tontolo izao (na ny relijiozy vavy mihiboka)  ho amin’ny fivavahana, fivalozana, fanompoana ny anadahiny ary asa maha-apôstôly, araka ny toetra sy ny fanomezam-pahasoavana  mifanandrify  amin’izany nomena ny tsirairay[471]. Ny manokan-tena ho virjiny dia afaka mivondrona mba hitandremana araka ny tena izy ny teny naloakan’ny vavan’izy ireo[472].

Loharano ôfisialy ↗