Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpanjaka an’i Kristy
Laharana 908 amin’ny Katesizy
Tamin’ny fanekeny hatramin’ny fahafatesana[444] i Kristy no nampita tamin’ ny mpianany ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fahafahana maha-mpanjaka, “mba hamongoran’izy ireo ny fahotana sy ny fanjakany ao amin’ ny tenan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’izy ireo sy ny fahamasinam-piainan’izy ireo”[445] :
Izay mampanaiky ny vatan-tenany sy mitantana ny fanahiny, tsy mamela azy ho revon’ny firehetam-paniriana no tompon’ny tenany : azo antsoina hoe mpanjaka izy satria afaka mitondra ny tenany ihany ; sady afaka no mahaleo tena izy ary tsy manaiky ho baboin’ny fanandevozana mahameloka[446].