Fandraisan’anjaran’ny lahika amin’ny adidy aman’andraikitra maha-mpaminany an’i Kristy
Laharana 904 amin’ny Katesizy
“I Kristy (…) dia nanatontosa ny anjara raharaha maha-mpaminany Azy, tsy amin’ny alalan’ny ambaratongam-pitondrana irery ihany (…), fa koa amin’ny alalan’ny lahika izay ajorony ho vavolombelon’izany amin’ny namatsiana azy ireo ny fahalalana ny dikan’ny finoana sy ny fahasoavan’ny teny”[436]:
Ny mampianatra olona iray mba hitarika azy ho amin’ny finoana no lahasan’ny mpitory teny tsirairay ary na dia ny mpino tsirairay koa aza[437].