Ny adidy aman’andraikitra hampianatra
Laharana 891 amin’ny Katesizy
“Izany tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana izany, dia ananan’ny Evekan’i Rôma, filohan’ny fiombonam-piadidian’ireo Eveka, ary ampiasainy rahefa manambara, amin’ny raki-tsoratra raikitra, lafim-pitambaram-pampianarana iray mahakasika ny finoana sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena izy, noho ny fiadidiana maha-mpiandry ondry sy maha-mpampianatra fara tampony ny mpino rehetra azy, sy noho izy nampandraiketana ny fanamafisana ny rahalahiny amin’ny finoana (…). Ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana izay nampanantenaina ny Fiangonana dia miorina koa ao amin’ny vondron’ireo Eveka, rahefa ampiasainy ny Fahefana maha-mpampianatra fara tampony azy miombona amin’ny dimbin’i Piera”, indrindra amin’ny Kônsily Ekiomenika[416]. Ny Fiangonana, amin’ny Toniam-pampianarany fara tampony, rahefa manolotra zavatra “inoana ho nambaran’ Andriamanitra”[417] sy araka ny fampianaran’i Kristy, dia “tsy maintsy araikitra ao anatin’ny fanekem-pinoana amin’ny famaritana toy izany”[418]. Io tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana io dia miitatra lavitra toy ny tahirin’ny Fanambaràn’ Andriamanitra ihany koa[419].