Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa

Laharana 880 amin’ny Katesizy

I Kristy, tamin’ny nanendreny ny Roa ambin’ny folo, dia “nanangana azy ireo ho fiombonam-piadidiana, izany hoe ho vondrona maharitra, ary nametraka an’i Piera izay nofidiny teo anivon’izy ireo ho filohan’izy ireo”[394]. “Tahaka ny nanendren’ny Tompo an’i Md Piera sy ireo Apôstôly sisa, hitambatra ho fiombonam-piadidiana maha-apôstôly tokana ihany, no ifampiraisan’ny Evekan’i Rôma, dimbin’i Md Piera, sy ny Eveka rehetra, dimbin’ny apôstôly, amin’izy ireo samy izy ireo”[395].

Loharano ôfisialy ↗