Ny fanirahana - adidy iray takìn’ny maha-katôlika ny Fiangonana

Laharana 853 amin’ny Katesizy

Kanefaamin’ny fivahiniany ny Fiangonana dia mahalala tamim-pahazarana koa ny “elanelana izay mampisaraka ny hafatra ambarany sy ny halemen’olombelona amin’ireo izay anankinana izany Vaovao Mahafaly izany”[344]. Koa tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny lalan’ “ny fivalozana sy ny fihavaozana”[345] ary “amin’ny varavarana tery izakana ny Hazofijaliana”[346] no ahafahan’ny Vahoakan’ Andriamanitra manitatra ny Fanjakan’i Kristy[347]. Satria, “tahaka ny naha tao anatin’ny fahantrana sy ny fanenjehana izay nanatanterahan’i Kristy ny Fanavotana, no iantsoana koa ny Fiangonana hiditra ao amin’io lalana io ihany mba hampitana amin’ny olombelona ny vokatry ny famonjena”[348].

Loharano ôfisialy ↗