“Ivelan’ny Fiangonana, tsy misy famonjena”
Laharana 848 amin’ny Katesizy
“Na dia afaka aza Andriamanitra, amin’ny lalana fantatr’Izy irery ihany, mitondra ireo olona tsy mahalala ny Vaovao Mahafaly, izay tsy fahadisoana ho azy ireo ny tsy fahalalana izany, ho amin’ny finoana izay raha tsy misy izany tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra[335], dia manana adidy sady zo masina ny Fiangonana, hitory ny Evanjely”[336] amin’ny olombelona rehetra.