III. Katôlika ny Fiangonana

Laharana 833 amin’ny Katesizy

Ny antsoina hoe Fiangonana eo an-toerana, izay tsy inona fa ny diôsezy (na faritanim-piangonana), dia ankohonan’ireo mpino kristianina miombona ao amin’ny finoana sy ny sakramenta miaraka amin’ny Evekan’izy ireo nohamasinina tao anatin’ny fifandimbiasana maha-apôstôly[311]. Ireny Fiangonana eo an-toerana ireny “dia voaorina hitovy endrika amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo;  ao amin’izy ireny sy miainga avy amin’izy ireny no isian’ny Fiangonana katôlika iray sy iraisana”[312].

Loharano ôfisialy ↗