II. Masina ny Fiangonana
Laharana 823 amin’ny Katesizy
“Ny Fiangonana (…) dia masina amin’ny fomba maharitra lalandava eo imason’ny finoana. Satria i Kristy, Zanak’Andriamanitra, izay ankalazaina, miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, ho “hany Masina”, dia tia ny Fiangonana ho vadiny, ka nanolo-tena ho azy mba hanamasina azy, sy nampiray azy ho Vatany, ary nameno soa azy tamin’ny fanomezana ny Fanahy Masina, ho Voninahitr’Andriamanitra”[286]. Noho izany, ny Fiangonana no “Vahoaka masin’Andriamanitra”[287], ary antsoina hoe “masina”[288] ny mpikambana ao aminy.