Ny ratran’ny firaisana
Laharana 818 amin’ny Katesizy
Ireo izay teraka amin’izao fotoana izao ao anatin’ireny vondrom-piangonana avy amin’ny fisarahana ireny “sy izay mivelona amin’ny finoana an’i Kristy, dia tsy azo anilihana ny fahotan’ny fisaraham-bazana, ary ny Fiangonana katôlika dia miaraka amin’izy ireo amim-panajana feno firahalahiana sy fifankatiavana (…). Nohamarinina tamin’ny finoana noraisina tamin’ny Batemy, voakambana amin’i Kristy, dia mitondra ara-drariny ny anarana hoe kristianina izy ireo, ary ny zanaky ny Fiangonana katôlika dia mahatsiaro azy ireo marina tokoa ho havana ao amin’ny Tompo”[270].