Ny Fiangonana - sakramentam-pamonjena ny daholobe

Laharana 776 amin’ny Katesizy

Fitaovan’i Kristy ny Fiangonana, amin’ny maha-sakramenta azy. “Izy no fitaovam-Panavotana ny olombelona rehetra, eo am-pelatanan’i Kristy”[195], “sakramentam-pamonjena ny daholobe”[196], izay amin’izany no “ampisehoan’i Kristy sy ampiharany amin’ny ankehitriny ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona”[197]. Izy “no tetik’asa hita maso amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona manontolo”[198], izay te “hahatonga ny taranak’olombelona manontolo hitambatra ho Vahoaka tokan’Andriamanitra, hiangona ao amin’ ny Vatana tokan’i Kristy, mba hirafitra ho tempoly tokan’ny Fanahy Masina”[199].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗