Ny Fiangonana – misterin’ny firaisan’ny olombelona amin’ Andriamanitra
Laharana 772 amin’ny Katesizy
Ao amin’ny Fiangonana i Kristy no manatanteraka sy manambara ny misterin’ny Tenany ho tarigetran’ny fandaharan’Andriamanitra : “ny hamondrona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” (Efez 1,10). Antsoin’i Md Paoly hoe: “mistery lehibe” (Efez 5,32) ny firaisana toy an’ny mpivady an’Izy Kristy sy ny Fiangonana. Satria miray amin’i Kristy Mpampakatra azy ny Fiangonana[187], ka manjary mistery torak’izany koa ny tenany[188]. Amin’ny fibanjinana ao aminy ny mistery, dia hoy i Md Paoly miantso hoe : “I Kristy ao aminareo, no fanantenana ny voninahitra” (Kôl 1,27).