Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana

Laharana 756 amin’ny Katesizy

Matetika ihany koa, ny Fiangonana dia lazaina hoe trano aorin’Andriamanitra[135]. Izy Tompo ihany  no nampitaha ny Tenany tamin’ny vato narian’ny mpanorin-trano fa tonga vato fehizoro (Mt 21,42 // ; Asa 4,11 ; 1 Pi 2,7 ; Sal 118,22). Eo ambonin’io fototra io no nanorenan’ireo apôstôly ny Fiangonana[136] ary avy amin’io fototra io no ananany fahamafisana sy firaisan-kina. Noravahana anarana samihafa io fanorenana io : tranon’Andriamanitra[137], izay ao amin’izany no onenan’ny fianakaviany, trano fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy[138], fonenan’Andriamanitra eo amin’ny olombelona[139], ary indrindra ilay tempoly masina, aseho amin’ny toerana masina naorina tamin’ny vato, izay anton’ny fideran’ireo Ray masina, ary rariny, ao amin’ ny litorzia, raha ampitahaina amin’ny Tanàna masina, ilay Jerosalema vaovao izany. Satria, ao amin’izany isika ety an-tany no toy ny vato velona izay mirafitra eo amboniny[140]. Banjinin’i Joany io Tanàna masina io izay midina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra amin’ny fotoana izay hihavaozan’izao tontolo izao, vonona tahaka ny vehivavy voahaingo ampakarina ho an’ny vadiny (Apôk 21, 1-2)[141].

Loharano ôfisialy ↗