Ny fanehoana an’ohatra ny Fiangonana

Laharana 754 amin’ny Katesizy

Ny Fiangonana, araka izany, dia valan’ondry, ka i Kristy no vavahady tokana sy tsy maintsy hidirana[128]. Ny Fiangonana koa dia andian’ondry izay Andriamanitra ihany no nanambara mialoha fa Izy no ho mpiandry[129], ary ny ondry, na olombelona aza no ho filoha mpiandry azy ireo, dia ny Tenan’i Kristy ihany, Ilay Mpiandry ondry Tsara sy Mpanjakan’ny mpiandry ondry[130]  izay nahafoy ny ainy ho an’ny ondriny[131], no hitarika sy hamahana azy ireo lalandava.

Loharano ôfisialy ↗