I. Ny anarana sy ny sary an’ohatra ny Fiangonana

Laharana 752 amin’ny Katesizy

Amin’ny fiteny kristianina, ny teny hoe “Fiangonana” dia ilazana ny fiaraha-miangon’ireo mpino amin’ny litorzia[122], nefa ilazana koa ny ankohonam-piangonan’ireo mpino eo an-toerana[123] na ny ankohonam-piangonan’ireo mpino manerana ny tany tontolo[124]. Ireo hevi-teny telo ireo, raha ny tena marina, dia tsy azo sarahina. Ny Vahoaka izay angonin’ Andriamanitra eo amin’ny tany tontolo, “ny Fiangonana”. Misy ao anatin’ ireny ankohonam-piangonana eo an-toerana ireny ny Fiangonana, ary tanteraka ho mpiangona izy amin’ny litorzia, indrindra amin’ny Eokaristia. Mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny Vatan’i Kristy ny Fiangonana, ary izy mihitsy amin’izay no tonga Vatan’i Kristy.

Loharano ôfisialy ↗