“Izaho mino ny Fiangonana Masina katôlika”

Laharana 750 amin’ny Katesizy

Ny mino fa ny Fiangonana dia “Masina” sy “Katôlika” ary izy dia “Iray” sy “Apôstôlika” (araka ny nanampian’ny Sembolin’i Nicée-Constantinople izany)  dia tsy azo sarahina amin’ny finoana an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina. Ao amin’ny Sembolin’ny Apôstôly no anaovantsika fiekena ampahibemaso ny finoana ny Fiangonana Masina (“Credo [ …] Ecclesiam”), fa tsy finoana amin’ny Fiangonana, mba tsy hampifangaro an’Andriamanitra sy ireo tsanganasany sy mba hanondroana mazava fa avy amin’ny hatsaran’Andriamanitra ny fanomezana rehetra izay napetrany ao amin’ny Fiangonany[119].

Loharano ôfisialy ↗