Ny Fitsapan-toetra faran’ny Fiangonana

Laharana 676 amin’ny Katesizy

Izany famitahan’ny antikristy izany dia misoritra sahady eto amin’izao tontolo izao, isaky ny misy mihambo hanatanteraka amin’ny tantara ny fanantenana mesia izay tsy mety ho tontosa raha tsy any ankoatra ny tantara amin’ny alalan’ny fitsaràna any am-parany any : na amin’ny endriny efa somary nalefahana aza, dia tsipahin’ny Fiangonana io fisandohana ny Fanjakana ho avy io, izay mitondra anarana hoe  fanjakana arivo taona[629], indrindra amin’ny endrika pôlitikan’ny fampanantenana mesia tsy ara-pivavahana “mirakitra fahavetavetana ao anaty”[630].

Loharano ôfisialy ↗