… eo am-piandrasana ny haneken’ny zavatra rehetra Azy
Laharana 671 amin’ny Katesizy
Efa tonga ao amin’ny Fiangonany ny Fanjakan’i Kristy, nefa tsy mbola tontosa “amim-pahefana sy amim-boninahitra lehibe” (Lk 21,27)[603] amin’ny fahatongavan’ny Mpanjaka eto ambonin’ny tany. Mbola tafihan’ireo hery amam-pahefan’ny ratsy io Fanjakana io[604], na dia efa resy hatrany am-potony tamin’ny Pakan’i Kristy aza izy ireny. Mandra-pahatongan’ny zavatra rehetra hanaiky Azy[605], “mandra-pahatongan’ny fotoana izay hahatanterahan’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao anjakan’ny fahamarinana, ny Fiangonana eo am-pivahiniana dia mitondra ao amin’ireo sakramentany sy ny rafi-pandaminany, izay ao anatin’izao fotoana izao, ny endriky ny fotoana rehetra izay mihelina ihany ; ny Fiangonana dia miaina rahateo eo anivon’ny zavaboary izay mbola mitoreo mandraka ankehitriny anatin’ny hirifirin’ny fiterahana ary miandry ny fampisehoana an’ireo zanak’Andriamanitra”[606]. Noho izany antony izany dia mivavaka ny kristianina, indrindra amin’ny fankalazana ny Eokaristia[607], mba hanafaingana ny fiverenan’i Kristy[608] indray amin’ny fiantsoana Azy hoe : “ Avia, ry Tompo” (Apôk 22,20)[609].