Efa manjaka sahady i Kristy amin’ny alalan’ny Fiangonana …
Laharana 669 amin’ny Katesizy
Amin’ny maha-Tompo an’i Kristy, mbola Izy koa no Lohan’ny Fiangonana izay Vatany[595]. Nakarina any an-danitra sy nomem-boninahitra Izy, ka araka izany, nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa nanirahana Azy, nefa mitoetra eto an-tany ao amin’ny Fiangonany. Ny Fanavotana no loharanon’ ny fahefana izay iasan’i Kristy ao amin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina[596]. “Ny fanjakan’i Kristy dia efa eo amin’ny Fiangonana amin’ny fomba mistery”[597], “tsiry sy fanombohan’io Fanjakana io ety an-tany”[598].