“ Niakatra any an-danitra i Jesoa , mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra”
Laharana 663 amin’ny Katesizy
I Kristy, nanomboka hatreo, dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray : “Ny hoe an-kavanan’ny Ray dia ny voninahitra sy ny haja maha-Andriamanitra, ka ilay Zanak’Andriamanitra izay nisy talohan’ny taonjato rehetra amin’ny maha-Andriamanitra sady iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray Azy, dia ny vatan-tenany mihitsy no mipetraka eo, taorian’ny nahatongavany ho nofo sy ny nanomezam-boninahitra ny nofony”[589].