III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona

Laharana 653 amin’ny Katesizy

Ny fahamarinan’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa no hamafisin’ny Fitsanganany ho velona. Hoy Izy : “Rahefa voasandratrareo ny Zanak’olona vao ho fantatrareo fa Izaho Ilay Misy” (Jo 8,28). Ny Fitsanganan-ko velon’ ilay Nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana dia nampiharihary fa Izy tokoa no “Izaho ilay Misy”, ilay Zanak’Andriamanitra ary Andriamanitra rahateo ihany. Afaka nanambara tamin’ny Jody i Md Paoly hoe : “Ny fampanante-nana natao tamin’ny razantsika, dia notanterahin’Andriamanitra tamintsika (…) ; natsangany tamin’ny maty i Jesoa, araka izay voasoratra ao amin’ny salamo faharoa hoe : Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany” (Asa 13,32-33)[569]. Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia mifamatotra mafy amin’ny misterin’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Ao amin’izany no fahatanterahana araka ny fandaharana mandrakizain’Andriamanitra.

Loharano ôfisialy ↗