Zava-niseho mihoatra ny tsapa sy ny hita, ny Fitsanganan-ko velona
Laharana 647 amin’ny Katesizy
“Ô Ry alina !, hoy ny Hira fihobiana (“Exultet”) ny Paka, ianao irery no afaka mahalala ny fotoana izay nivoahan’i Kristy velona avy tao amin’ny fonenan’ny maty”[561]. Satria, tsy nisy na iray aza vavolombelona nanatri-maso ny zava-niseho tamin’ny Fitsanganan-ko velona ary tsy nisy na iray aza mpanoratra Evanjely nilazalaza momba izany. Tsy misy olona afaka milaza hoe : Ahoana no nahatonga izany ara-batana ? Vao mainka koa tsy ho tsapan’ny fandrenesana samihafa ny foto-pisiana lalina indrindra ao aminy, dia ny fandalovana mankamin’ny fiainan-kafa izany. Ny Fitsanganan-ko velona, amin’ny maha-zava-niseho ara-tantara azo tsapain-tanana avy amin’ ny famantarana ny fasana foana sy ny zava-misy ny amin’ny fihaonan’ireo apôstôly tamin’i Kristy nitsangan-ko velona, dia tsy nijanona amin’izany fotsiny, fa amin’izany no ihoarany ambony dia ambony sy isongonany ny tantara, eo anivon’ny misterin’ny finoana. Izany no antony nahatonga an’i Kristy nitsangan-ko velona ho tsy niseho tamin’izao tontolo izao[562] fa tamin’ireo mpianany, “tamin’izy ireo niara-niakatra Taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema, ny tenan’izy ireo ihany izay vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny”(Asa 13,31).